Nanadio teo anoloan’ ny lapan’ny tanàna ny « sacua »
« Antananarivo madio, milamina, maha-te honina no tanjona. »
Nifarimbona nanao tolo-tanana amin’ny fanadiovna ny tanàna ny « SACUA » na ny (Syndicat Autonome de la Commune Urbaine d’Antananarivo). Sendika mahaleo tena mijoro ara dalana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Mpiasa maro no tonga nanatontosa izany adidy sy andraikitra izany , niaraka tamin’ny Talen’ny fandraharahana ny mpiasa sy ny maha olona ,ny filoha mpamorona ny SACUA sy ireo mpikambana maro. Nanolotra fitaovana maromaro moa ny sendika ,ho entina nanantanteraka izany fanadiovana izany.
Tonga nanome tanana sy fitaovana ihany koa ny teo anivon’ny mpamonjy vohina eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivoitra.


















