AM-PITIAVANA MIFANASOA
Nahatsiaro ireo namana mpiasa ao amin’ny kaominina ao Toamasina Ambony Vohitra sy nitondra fanampiana mba ho vatsy ho azy ireo ny « Syndicat Autonome de la Commune Urbaine d’Antananarivo » na ny SACUA araka ilay teny filamatra manao hoe: AM-PITIAVANA MIFANASOA.
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza « GEZANI » tao Toamasina ,dia nanolotra vary fotsy (20) roapolo kitapo, izay milanja iray (01) Taonina eo ho eo ho an’ireo mpiasa ao amin’ny Fitaleavana misahana ny teknika sy ny fitaleavana misahana ny fitanterana ao amin’ny Kaominina Ambony Vohitra Toamasina ny SACUA .
Nitarika ny delegasiona tonga tany an-toerana ny filohany’ny Sendika Mahaleotena, Andriamatoa NIRINTSOA Jaona Clément sy ireo mpikambana vitsivitsy. Isaorana ny Tale misahana ny fitanterana an-tanety na ny ‘ ATT’ (Agence des Transports Terrestres ), ny kaoperativa KOFIMANGA ,nanolo tanana teo amin’ny fitaomana ireo entana .








